Porofo avy amin’i… Victor Hugo

Avy amin’i Zarateny. « Porofoy amiko fa mihamahantra ny Malagasy« , hoy ny Filoha Rajaonarimampianina raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety izy any Istanbul, Turquie, mandritra ny Sommet Humanitaire Mondial 2016, izay atrehiny ankehitriny. Ity zaraina manaraka ity dia kabary nataon’ilay mpanoratra frantsay Victor Hugo tamin’ny 9 jiolay 1849 nanoloana ny Antenimierampireneny, nadika tamin’ny teny malagasy ary nosoloina ho « Antananarivo » ny anarantany voalaza – azonao soloina izay anarantoerana misy anao eto Madagasikara, fa indrisy toa tsy mandiso ny hevitr’ilay kabary ihany. Raha ny tena samy Malagasy mantsy no miteny, toa fotsy rora tsy mba heno. Koa indramina itony andrarezina itony, hilaza ny marina. Kabary efa lany andro, kanefa toa mahavaly ny fanontanian’ny Filoha ary miantefa koa amin’ireo Solombavambahoaka.

Ilay mpanoratra Victor Hugo.
Ilay mpanoratra Victor Hugo.

Hamongotra ny fahantrana

« Izaho, Andriamatoa isany, dia tsy isan’ireo izay mino fa azo esorina amin’izao tontolo izao ny fjialiana, fijaliana izay lalàna voajanahary. Fa isan’ireo mihevitra sy milaza kosa aho fa azo fongorana ny fahantrana. Tsikaritrao tsara ve, Andriamatoa isany, fa tsy hampihena ny fahantrana, na hakelezana, na fehezina, fa hamongotra. Aretimpiarahamonina ny fahantrana, tahaka ny maha aretin’ny olombelona ny habokàna. Azo fongorina ny fahantrana, tahaka ny namongorana ny habokàna. Hamongotra ny fahantrana ! Eny, azo atao izany !

Tokony hisaina izany tsy hankiato ny mpanao lalàna sy ny mpitondra, satria eo amin’io sehatra io mantsy, dia tsy tanteraka ny adidy raha tsy natao daholo izay azo atao rehetra. Hidirako lalindalina ny ventikevitra, Andriamatoa isany : ny fahantrana, tianareo ho fantatra ve hoe aiza ho aiza no misy azy ankehitriny ? Tianareo ho fantatra ve hatraiza no afaka takariny, aiza ny lalany, tsy hoe hakany antany lavitra ve na hoe hiverina any amin’ny fahagolantany koa, fa eto Madagasikara, eto Antananarivo, amin’izao vaninandro hiaintsika izao ? Ilainareo ve ny mahafantatra ny zavamisy ?

Tsy hihambahamba aho, hilaza ny zavamisy. Zavamisy mampalahelo, nefa ilaina lazaina, ary raha ny tena eritreritro no zaraiko, dia tiako raha hivoaka eto amin’ity Antenimiera ity, ary hanao fangatahana madio momba izany ny tenako, ny fanadihadiana hahitana ny tena zavamisy iainan’ireo valalabemandry izay tena mijaly eto Madagasikara. Tiako hiseho masoandro ny tena marina. Ahoana moa no hitsaboana ny aretina raha tsy voafaritra ny ratra ?

Ireto ary ny zavamisy :
Eto Antananarivo, sy ny faritra manodidina, izay nakorotan’ny adilahy mora foana hatrizay, dia ahitàna lalana, trano, tranondopy, izay fonenan’ny fianakaviana manontolo, mitakosona ao, na lahy, na vavy, na zazavavy, na zazakely, tsy manamparafara na lamba irakofana, ary voronkitsay maloto sy lo no mba hany fitafy, notsimponina teny andranompotaka, zeziky ny tanandehibe, histrihan’ireo olombelona tsy manankialofana rehefa mamely mafy ny hatsiakan’ny ririnina. Zavamisy izany.

(…)

Mbola mitady zavamisy maharary noho izany ve ianareo ?
Iny volana lasa iny, rehefa nirongatra ny kolera, dia nahitàna reny sy zanany efatra izay nitady izay ho sakafony eny amin’ny havoanampako maimbo !  Amiko, Andriamatoa isany, zavamisy tokony ho foana izany ary amiko koa, tokony hanambatra ny heriny manontolo ny fiarahamonina, hanome ny fahatsarampony, ny fahaizany sy ny fahavononany mba hampitsahatra ny toy izao!  Amiko, ny fahitàna zavamisy toy izao anivona firenena mandroso, dia tokony hamahatra ny sain’ny mpiarabelona rehetra, ka ho samy tomponandraikitra, efa na na izao izay miteny aza, hiray hina mba tsy ho heloka imason’ny olombelona intsony ihany izao, fa imason’Andriamanitra koa ! Izany no mahatonga ahy hovoatazony, ary mba hiazonako ireo rehetra izay mihaino ahy koa, ny maha zavadehibe ny fangatahana nataoko taminareo teo. Dingana iray izany, nefa dingana hanova zavatra.

"Tsy naha efa na inona na inona ianareo raha eo ambaninareo, mbola misy ampahan’ny vahaoka feno hakiviana ! "
« Tsy naha efa na inona na inona ianareo raha eo ambaninareo, mbola misy ampahan’ny vahaoka feno hakiviana ! « 

Iriako raha mba ity Antenimiera ity, na maro na vitsy an’isa, tsy olana, tsy fantatro rahateo koa izay maro sy vitsy manoloana izao zavamitranga izao… Fa iriako raha mba ity Antenimiera ity no tsy hanana afa-tsy fanahy tokana, hiaramamindra ho any amin’izany tanjona mahafinaritra, tanjona avo indrindra izany, dia ny famongorana ny fahantrana !

Andriamatoa isany, tsy ny hamoramponareo ihany no antsoiko izao, fa izay avo sy mahitsy indrindra ao anatin’ny fisainana politika tokony hisy ao anatin’izany Antenimiera mpanao lalàna izany ! Ary mikasika izany, teny farany dia hotaperiko. Andriamatoa isany, araka izay volazako taminareo ; ianareo, sy ny tafika ary ny herivelon’ny firenena no manamafy indray ilay Fanjakana nihonzongozona. Ianareo, izay tsy niamboho adidy, ary tsy nitaraina hanao adidy. Ianareo no tandroka aron’ny fiarahamonina, aron’ny fanjakana tandalàna sy ny rafipitondrana, ny fahaleovana sy ny fandrosoana maha olombelona mihitsy. Nahavita zavadehibe ianareo, kanefa, tsy naha efa na inona, na inona !

Tsy naha efa na inona na inona ary tsindriako izany, rehefa tsy ny filaminana ara-moraly no fototrin’ny fandaminana hita maso ! Tsy nahefa na inona na inona ianareo raha mbola mijaly ny vahoaka ! Tsy naha efa na inona na inona ianareo raha eo ambaninareo, mbola misy ampahan’ny vahaoka feno hakiviana ! Tsy naha efa na inona na inona ianareo, raha mbola misy vatana tokony hiasa sy tena miasa nefa tsy mba homana ! Raha mbola misy zokiolona izay efa niasa fatratra nefa tsy misy mpiahy !

Zaza madinika eny ambanivohitra
« Tsy nahavita ianareo raha mbola kaoka ny ambanivolo »

Raha mbola kaoka ny ambanivolo, raha tsy ampy sakafo ny renivohitra, raha tsy misy lalàna mampifemelona toy ny mpirahalahy, lalana madio izay manampy ireo fianakaviana mahonena sy miasa mafy, ireo tantsaha mazoto, ireo mpanao asa tanàna mavitrika, ireo tsy malaina sy feno fahavononana !  Tsy naha efa na inona na inona ianareo raha mbola ny fijaliambahoaka no tanana havanan’ny revolisiona ! Tsy nahavita na inona na inona ianareo, raha manoloana izao ady amin’ny fahalovana sy haizina izao, dia mbola mpiray lalana ihany ny olondratsy sy ny olomalahelo ».

mail

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *